1 - Iza moa Ratsimandrava Richard?

 

21 marsa 1931

 

Teraka  tao Ambavahadimitafo,  teto Antananarivo Ratsimandrava Richard.

Zanak’Itl Ratsimandrava (Professeur Assistant) sy Itv Rasoanindrina

Nanambady an-dRazafindramoizana Thérèse tamin’ny 22 septambra 1956

Manan-janaka enina

 

Fianarana nataony :

 

=     1938 : Sekoly Ambavahadimangatsiaka Antsirabe

=     1940 :  Lycée Galliéni, nanomboka 9ème hatramin’ny Terminales Baccalauréat Mathématiques Elémentaires  (5 jolay 1952) tao Andohalo Antananarivo

=     1952 – 1954  :Lycée Carnot Dijon nanao corniche, fanomanana ny fifaninanana hidirana ao Saint-Cyr (laharana 210)

=     1954 – 1956 : nianatra tao amin’ny Ecole spéciale militaire interarmes de Saint-Cyr-Coetquidan

 

Fisondrotana tamin’ny asa :

 

=     1 Oktobra 1956 : Sous-Lieutnant  niofana tao amin’ny Ecole d’application de l’infanterie de St Maixent France

=     9 Desambra 1956 : niatrika ady tany Maroc : Oujda, Taourirt, Meknès

=     6 Avrily 1958 : niatrika ady tany Algérie

=     1 Oktobra 1958 : nasondrotra ho Lietnà

=     5 Janoary 1959 : Mpampianatra tao amin’ny Centre d’instruction des nouvelles recrues tao amin’ny Camp Galliéni tany Fréjus (France)

=     14 Jolay 1959 : Porte-drapeau nitondra ny saina malagasy tamin’ny matso lehibe natao tany Paris

 

=     27 Oktobra 1959 : niverina taty Madagasikara

=     28 Oktobra 1959 : Mpampianatra tao amin’ny Centre d’instruction des nouvelles recrues tao Beravina Fianarantsoa. Nanao famelabelarana momba ny Zon’olombelona noho ny tsindrihazolena natao tamin’ireo miaramila zazavao ary nampahafantatra azy ireo ny zony.

=     11 Jona 1960 : voatendry ho Mpifehy ny Holafitra faharoa, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo

=     1 Febroary 1962 : nasondrotra ho Kapiteny

=     1 Novambra 1962 : voatendry tao amin’ny Zandarimaria nasionaly

=     1 Oktobra 1963 : niofana tao amin’ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun France

=     18 Jolay 1964 : niverina indray eto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary malagasy voalohany

=     1 Septambra 1964 : voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerie tany Toamasina

=     1 Janoary 1965 : nasondrotra ho Chef d’Escadron, Commandant du Groupement de la Gendarmerie nationale tany Toamasina

=     1 Aogositra 1967 : notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin’ny Zandarimaria nasionaly

=     1 Jiona 1968 : nasondrotra ho Lietnà Kolonely

 

=     1 Avrily 1969 : notoloran’ny Filohan’ny Repoblika Voalohany Philibert Tsiranana ny Fanevan’ny Komandy ambony ao amin’ny Zandarimaria

=     Avrily 1971 : nampitsahatra ny fifampindrafiana noho ny fikomiana tany Atsimo ary namitrana fampihavanana tany nandritra ny iray volana mahery

=     13 Mey 1972 : nolazaina ho mikomy tamin’ny Fanjakana mpitondra tamin’izany raha nanohitra ny fitifirana ny Mpianatra tamin’ny Raharaha 13 Mey 1972

 

=     25 Mey 1972 : notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin’ny Zandarimaria nasionaly, tao amin’ny Governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel

=     1 Janoary 1973 : nasondrotra ho Kolonely

=     Marsa 1973 – Desambra 1974 : Minisitry ny “Alaolana” no niantsoan’ny Fokonolona azy, fa nahazo namosa-kevitra an-kalalahana tao amin’ny Radio Madagasikara ny vahoaka nifanakalo hevitra mivantana taminy nanerana ny Nosy, ary nisy ny fahalalahana tanteraka koa teo amin’ny fanaovan-gazety:

- fananganana ireo rafitra mifehy ny fitondrana ny vahoaka

- fifidianana ireo ambaratonga samihafa

=     23 Janoary 1975 : noravan’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Governemantany

 

=     5 Febroary 1975 : notoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa ny “Fahefana feno” hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, ho Filoham-panjakana Lehiben’ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Tetipivoarana

 

 

Talata 11 Febroary 1975, 8 ora alina : maty voatifitra niaraka taminy ireo Mpiambina azy GP2 Rabotovao Samuel sy GP2 Rakotoarisoa Bernard,  tao Ambohijatovo Atsimo, raha namonjy fodiana ny Filoha taorian’ny Fivorian’ny Minisitra faha efatra tao Anosy.