2-Tsiaro, akoran’aina atolotra holovain-jafy,

    Marsa 2006

 

21 Marsa 2006  :  Faha 75 taona

                           nahaterahan’ny Kôlônely Ratsimandrava

 

Aza manadino anay
ry Fahendrena mahazatra raha tsy izahay no manadino


Velatra  herintaona lasa izay …..

  • Niroso  Andrianjafy Andriamanindrisoa Emmanuelle, Mpampianatra- mpikaroka tao @ ny Oniversiten’Antananarivo

Hanokatra vanim-potoana handinihana ny lasa ho fanorenana ny ho avy….

Hafa anefa ny lahatra.

 

 

UNIVERSITE CATHOLIQUE DE LOUVAIN

FACULTE DES SCIENCES ECONOMIQUES, SOCIALES  

ET POLITIQUES

DEPARTEMENT DES SCIENCES DE LA POPULATION ET DU

DEVELOPPEMENT

Economie populaire, territoires et développement à Madagascar : les dimensions historiques, économiques et socioculturelles du fokonolona.

Études de cas : la commune rurale de Masindray et la commune urbaine d’Anosibe

Document de thèse présenté par Emmanuelle Andrianjafy-Andriamanindrisoa en vue de l’obtention du Doctorat en sciences sociales (option développement-population et environnement)

Année 2003-2004

 

  • Nivonona  izy ho anisan’ny hanamarika ny andro faha 21 Marsa, ary dia nanolotra ny velakevitra hoe : ny Fokonolona sy ny Fampandrosoana tao amin’ny  sehatry ny Riba sy  Fampandrosoana tao amin’ny Rarihasina niaraka tamin’ny mpandray anjara hafa.

 

Hoy izy herintaona lasa izay…

« Azo lazaina fa ny hany fotoana  teo amin’ny tantara nijerena akaiky ny hetahetanm-pon’ny vahoaka amin’ny fampandrosoana izay handraisany anjara feno  eo @fitantanana ny fihariana eto amin’ny firenena, dia teo amin’ny fotoana nandraisan’iny Kôlônely Ratsimandrava fahefana Noho ny fahalasanany anefa dia nandamoka ny fifampitokisana nisy teo @ ny mpitondra sy ny entina.

Herintaona lasa izay…

Mametraka fanontaniana isika eo @ ny fampandrosoana ny firenena , hoy izy : tsy miainga velively amin’ny fakana tahaka ny fandrosoana  misy any ivelany fa ny fanomeazana vahana sy sehatra  avo dia avo ny toetsaina malagasy sy ny zava-bita teo aloha no zava-dehibe, fa :

.Ny fampandrosoana  dia izay sahaza ny toetsaina sy kolontsaina tena malagasy mahafehy ny fanatontoloana  fa tsy fehezin’ny fanatontoloana »


VELATRA

Conférence et manifestations culturelles pour la 75ème anniversaire de la naissance du Colonel RATSIMANDRAVA, promoteur du fokonolona.

 

Initié par Vazimba Produktion et l’Association AFAKA (Aro Fanana Kolontsaina Antananarivo), une conférence-événement artistique se tiendra la Tranompokonolona Analakely le mardi 21 mars 2006 à partir de 14 heures. Il s’agira particulièrement de porter un double regard rétrospectif et prospectif sur le Colonel Ratsimandrava et sa conception du Fokonolona. Et ce, à l’occasion du 75 ème anniversaire de cet homme d’état malgache qui a marqué de son empreinte le grand tournant des années 70. Y seront présentes des personnalités marquantes comme Olombelo Ricky, Belanto, Moxe Ramandimbilahatra, le Dr Ramahatra et le Pasteur Tehindrazanarivelo.

 

A la fois retour aux sources et approche dynamique de la culture comme point de départ de toutes les actions à mener dans la société malgache, le Fokonolona préconisé par le Colonel Ratsimandrava a été certainement l’expérience la plus riche jamais appliquée dans la Grande Ile depuis son indépendance. Certes, on ne refait pas l’histoire à coup de si… Toutefois, si l’on doit tout jeter dans le panier sans fond de l’oubli, pourrait-on tout au moins évoquer les dimensions humaines, politiques et philosophiques de cette institution qui n’a  pas connu de suite du fait d’un revirement malheureux de l’histoire. Il s’agit en effet d’une des rares initiatives du XXème siècle malgache qui oriente son regard sur l’humain. Au cœur du Fokonolona se trouve effectivement la personne, l’individu,… l’homme considéré dans son environnement socio-économique et culturel ; l’être animé de désir, investi d’énergie créatrice et assoiffé de mieux-être. Dans une approche humaniste et réaliste de la politique, les longues tournées en brousses ne sont-elles pas autant d’efforts pour amener le «décideur» à faire fi de tout apriorisme en auditionnant les concernés eux-mêmes ? En ce sens, le Fokonolona ne s’érige-t-il pas en plateforme de construction de l’humain mais non pas seulement  une structure « encadrant » et « contrôlant » l’humain ?

 

Effectivement, la démarche du Colonel Ratsimandrava a été d’inciter les sujets à réfléchir par eux même autant pour identifier les problèmes que pour proposer des solutions (Ala olana). Il se démarque ainsi de toute logique dirigiste qui déresponsabilise et infantilise le citoyen. Par le biais du Fokonolona, il esquissait aussi des éléments de réponse à l’éternelle question qui se pose sous nos tropiques : comment transmuer le citoyen passif, par la force des évènements, en acteur décidé à prendre en charge son devenir ?  Il suffit de l’amener à se transcender et à offrir le meilleur de lui-même. En effet, redonner à l’humain sa dignité commence par une reconsidération de sa capacité à s’impulser et à se parfaire par la réflexion et l’action. Son « Fokonolona » aspire donc à mettre en place un système de fonctionnement pour permettre à tout un chacun de se réaliser à la mesure de ses efforts.

 

Tout en insistant sur la nécessité de mieux se situer dans l’espace et de travailler de façon symbiotique avec le temps, le Colonel Ratsimandrava n’a pas minimisé pour autant l’importance de la créativité. Il a de ce fait introduit une vision prospective dans sa conception. Sous cet angle, il a fait des émules puisque bon nombre de Malgaches ont initié plus tard des actions qui s’inscrivent dans la durée. C’est sous cette optique que l’on pourrait interpréter le cas du mouvement « Manala azy », initié par Olombelo Ricky depuis 16 ans maintenant. Au-delà de l’aspect purement festif de cette manifestation, il faut effectivement  voir la création d’un rituel à la mesure d’un besoin éprouvé par une jeunesse en quête de références à un moment critique et hautement symbolique de leurs existence : le passage au baccalauréat qui marque une rupture par rapport à l’adolescence et entrouvre une porte sur le monde des adultes.

 

Cette conférence-évènements culturels autour du Fokonolona et du Colonel Ratsimandrava se présente donc comme un espace/temps ouverts à la réflexion sur les exemples que ce dernier nous a offerts en héritage. Elle nous permettra également d’ouvrir un débat sur notre choix de vie, sur nos options politiques car, finalement, la pauvreté que nous encourons aujourd’hui n’est-elle pas l’expression de notre incapacité à nous adapter à notre propre réalité ? N’est-elle pas dûe à une logique qui cherche une réponse à un problème qu’on n’est pas encore décidé à déceler à la base ?

 

 

Les Interventions

 

Olombelo Ricky :“Velatra an-tsehatra: Manala azy Taranaka manala azy” Pasteur Emmanuel Tehindrazanarivelo : “Vina sy tsiahy”

Belanto : “Ratsimandrava sy ny fahafahana

Moxe Ramandimbilahatra : « Ny fiovan-drafitra : kabary tany Besalampy ».

Docteur Roland Ramahatra : « Ny  aza matahotra ao amin’ny kabary ala olana ».

 

 

 


22 - Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan’ny hasiny tsy hihiratra

Vina sy Tsiahy

Nataon’i Emmanuel D.

Tehindrazanarivelo, Mpitandrina

 

Savaranonando


Maty ve Ratsimandrava?

 

Maty ve ny maty

raha mbola injao maneloelo

tsy hay kosehina hafoy

ny taona maro nahalavoany ?

       Maty ve ny maty

       raha mbola mahatsòka

       rehatr’otrik’afo mivela ao anaty

       efa taona maromaro ?

             Maty ve ny maty 

             raha mbola mampifoha

             ny lamim-potaka efa mandry

             navalon-taona maro?

                    Maty ve ny maty

                    raha mbola mampitraotra

                    ireo tadidy tsy hay tonena

                    nokobonin-taona maro?

                           Maty ve ny maty

                           raha mbola afaka hanentana

                           ireo dimby amam-para

                           taona maro aty aoriana?

                                  Maty ve ny maty

                                  raha mbola manan-toerana

                                  ao anatintsika velona

                                  na dia nafoy an-taona maro?

                                              12 - o2 – 2000

 

                                               Fanja Razah.

                                        (Razafimamonjy Fanja G. E)

 


 

Foha sy eloelo

 

         Tsy mety maty ao am-pon’ny Malagasy ny fahatsiarovana an’ny Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA sy ny asa nataony ary ny soatoavina najorony teto amin’ny tany sy ny firenena.

         Mbola manentana sy mampanofinofy ary manan-toerana amin’ny Malagasy maro ny fisian’ny Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA na dia efa iraky amby telopolo taona lasa aza ny nahafatesany.

         Maty ny Kôlônely RATSIMANDRAVA nefa mbola miteny ihany. Tsy voatsindrin’ny rangolahy sy ny hetraketraky ny fahafatesana ny vina nananany sy ny hafatra napetrany ary ny soatoavina najorony

 

Ireo votoatin-kevitra novoiziny

 

Mandray anjara aho

satria olombelona,

olombelona aho

satria mandray anjara

 

              Alaolana

              Raharaha ikambanana

              Soa iombonana

 

                                 Fihavanana

                                 Fokonolona

                                 Kabary

 

                                          Tanindrazana

                                          Firenena

                                          Taranaka

 

Loharano nanovozany lalam-piainana 1

 

          Tao ireo tantara, fomba amam-panao, ny filozofia Malagasy sy ny fahendrena nolovany tamin’ireo raiamandreniny sy ny razany

 

           Ireo boky marobe novakiny sy ny fianarana norantoviny teto an-toerana sy tany am-pitandranomasina

 

           Ireo dia fivahiniana nataony eran’ny Nosy, tany Eoropa,  sns…  ary ny fifampikasohany tamin’ireo firenena voazanaka tahaka an’i Madagasikara toa an-dry Maroka, Alzeria, izay toerana samy niasany ary efa nampiharany sahady ny votoatin-kevitra nanany tamin’ny nanorenany ireny Comité local ireny izay ifanakalozany hevitra tamin’ireo

          tambanivohitra Marokana sy  Alzeriana sy ny fanjakana fony izy nanao asa miaramila tany.

 

Loharano nanovozany lalam-piainana 2

 

FIANGONANA

(Finoana sy

Fiarahamonina)

 

     Christianisme social

     Social Gospel

     (Mouvement Œcuménique)

             

              Doctrine sociale de l’Eglise

              (Fiangonana Katolika)

 

                       Communautés de base

                       (Brésil, Amérique du Sud)

 

Loharano nanovozany lalam-piainana 3

 

Fikarohana

Fanahy  sy

Firenena          

 

     Panafricanisme (WEB. Dubois, Marcus Garvey,

     Black consciousness, Harlem Renaissance)

    

              Filozofia Tandrefana (Maurice Blondel,

              Emmanuel Mounier, Martin Buber)

                      

                       Fiarahamonina Malagasy

                       (olona sy vaninandro niainany)

 

Fehiny

 

Azo ampiharina amin’ny Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA tokoa ilay fitenenan-drazana manao hoe :

 

“ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara” izay azontsika adika koa hoe  “dorian’ny tsara, mandimby ny maeva. Maty lingôza, sinto-mandimby »”.

 

Fa olona tsara fototra sy  lalina faka tokoa ny Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA ka afaka nanan’elatra nitondra ny mpiara-belona taminy sy ny vahoaka Malagasy  hihevitra avo sy hisaina lalina ary hitazana ilay faravodilanitry fivoaram-pirenena sy ireo taranaka ho avy ary ireo fara mandimby ka sahy nanana vina hanongorana ny fakan’ny fampahantrana sy  ny tsy fampandrosoana ny tanindrazana any  amin’ny fakany.


Fanamby

 

          anjarantsika taranaka ankehitriny izay vato namelan-kafatra eo anoloan’ny:

 

                   Alaolana?

                   Raharaha ikambanana ?

                   Soa iombonana ?

 

tokony atrehina eto amin’ny firenena?

 

tsy miamboho adidy aho mon Général

 

          hafatra navelany ho antsika

 

******

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


23 -Ny « aza matahotra »

eo amin’ny kabarin’ny  Kôlônely Ratsimandrava

  Akoran’aina iatrehana

  ny ady amin’ny fahantrana

  sy ny fanatontoloana

                                           Ramahatra Roland

 

Matahotra isika

 

 

Toa tsy hay intsony inona ny mahaizy antsika?

 

Inona ny sitrapon’

Andriamanitra hotanterahantsika?

 

Hatramin’ny taona 1982, napetraka teto amintsika ny fotodrafitr’asa nampitsiry fanontaniana saro-baliana nefa tsy maintsy ahitana valiny

 

Isika irery ihany no miantoka ny fahitana ny valiny amin’izany.

 

Tsy hahita mpampianatra amin’izany isika

 

Ny maha izy antsika!

 

Mihambo ho tia ray aman-dreny isika! Maro anefa amin’izy ireo no tsy mahazo mananatra, fotsy rora miteny, farim-peo miantso

 

Malaza ho tia zanaka isika! Kanefa tsy mahavelona ireo eo anatrehantsika. Ny tany misy hivalamparana, fa maro loatra ny vato misakana, na ara-ponenana, na ara-panjakana.

 

Malaza ho tia zanaka isika! Kanefa tsy mahavelona ireo eo anatrehantsika. Ny tany misy hivalamparana, fa maro loatra ny vato misakana, na ara-ponenana, na ara-panjakana.

 

Malaza ho tia tanindrazana isika! Fa ny Tantsaha mirohotra ho an-tanan-dehibe. Ny Tambonivohitra maniry hiorim-ponenana any ampita lavitra any. Ny sisa tavela, toa resy mana-mahery.

 

Lolohavina ny hajan’ny fanahy, ny marina tsy mba maty hoy isika! Izany fisainana izany anefa dia sosoa notampohin-drano miolotra amin’ny zava-miseho isan’andro manimba hasina, manapotika fihavanana, mandratra sy mamono aina

 

Mahalala an’Andriamanitra hatry ny ela isika! Kanefa tsy ireo niantsona tamin’ny fivavahan-drazana loatra no tena maninona, fa amin’ireo kristianina no misy lasa fanasina matsatso, zary henatra ho an’ny finoana sy ny Vaovao Mahafaly.

 

Nihombo ny tebiteby hatramin’ny 1982

Satria :

 

Hatramin’ny taona 1982, napetraka teto amintsika ny foto-drafitr’asa nampitsiry fanontaniana saro-baliana nefa tsy maintsy hahitana valiny

          Ny demokrasia

          Ny toekarena baikon’ny lalànan’ny tsena

          Ny fifandraisna tokony hisokatra amin’ny vazantany efatra

          Ny fifanomazan-tanana eto amin’ny samy isika?

Tsy maintsy tena hiroso amin’ireo ve isika?

Inona no hatao faneva hiatrehana izany?

 Fomba toa inona no hahatonga izany ho latsa-paka ao amin’ny fomba amam-panaontsika?

Zary riba ho an’ny tsirairay eo amin’ny ankohonany eo amin’ny fiainany andavanandro?

 

Ny fanaon’ny Olona manoloana izany?
Lasa mitodi-doha any amin’ny ainy, ny taniny, ny tantarany, ny teniny izy.

 

Hoy ny Kolonely Ratsimandrava tany Fandriana:

« Ny tahotra ! Ny fomba hoenti-miady amin’izany … »

 

Fandraisana anjara mba handraisana an-tànana

 

Alaolana : Fifampitondrana

        ho an’ny soa iombonana

 

Alaolana  : Fandraisana anjara mba handraisana

an-tànana 1

 

Nahay niainga tamin’ny hasin’ny vahoaka. Ialana ny toetsaina nitondra teo aloha: “...Dia ny hoe ity vahoaka ity dia olona tsy azo ifampidinihina, tsy misy fotony, tsy mahay na inona na inona, fa izay asaina ataony fotsiny no ataony

 

Lanja miakatra ny fiainana kanefa  mila zavatra tsara fototra: “...Aoka ny zavatra izay eken’ny vahoaka, ny zavatra izay efa tao amin’ny fomba malagasy no raisina hatao fiasana amin’ny fampivoarana ny vahoaka malagasy

 

Nahita ny lalàn-tsara ary nahay nizotra tamin’izany: “...Mba samy hanana hazon-damosina ka hijoro amin’ny fahamarinana”

 

Nanangana làlam-pamahana olana (processus national de résolution de situation à problèmes):

-Ny fomba nandaminana ny tany Atsimo tamin’ny 1971

-”...Ny ALAOLANA tsy lalàna velona fa fanazavana...”; miavaka @ Vahaolana

-”...Fitondrana demokratika, tsy hisy hahatsiaro tena fa hoe voasakantsakana, voan’ny tsindry hazolena”

 

Alaolana : Fandraisana anjara mba handraisana

 an-tànana

 

Nahay namolavola fotodrafikevitra ho an’ny fivoaran’ny tsirairay sy ny daholobe (bien public fananam-bahoaka?):

-”..Ny FOKONOLONA dia mijoro HO AN’NY SOA IOMBONANA ka tsy ao ny raharahan’ny antoko, ny fivavahana, ny firazanana, ny fiaviana...”

-”...Raha tsy misy io rafitra io iarahantsika miara-midinika, hafahantsika miara-mamolavola, dia hangata-dava eo fotsiny ianareo...”

 

Nanana tanjona mazava tamin’ny fandrafetana izany foto-drafitr’asa izany:

-”...Ny fijoroan’ny FOKONOLONA no hanotofana ny hantsana  mampisaraka antsika samy Malagasy...”

-”...Ny SOA IOMBONANA NO TANDROVIN’NY FIZARAM-PARITRA...”

-”...TOMBONTSOA HO ANTSIKA REHETRA no katsahina ary tsy hitatatra ho an-janak’olona isika fa HO AN’IRETO TARANAKA MAROBE IRETO...”

 

Hafatra toa vy miaina:

-Anjarantsika ny mijoro sy miaro NY FAHALALAHANA misy.... Aza amidy ny fahalalahana fa lasa mampiditra any amin’ny fanandevozana...”

 

Adika ahoana ny « bonne gouvernance »: fitondrana tsara tantana sa?

 

Nahay nanavasava ny raviny ka nahita ny fototry ny olana: “...TSY FIFAMPITOKISANA teo amin’ny vahoaka sy ny Fanjakana … »

 

Alaolana fototra, fametrahana ireto andry ireto: FOKONOLONA mijoro, VATOEKA velona, DINA hifanaovana, FIHAVANANA tsinjovina, ary FIAROVANA SY FAMPIROBOROBONA izany rehetra izany HO AN’NY REHETRA... Ny hisian’ny rafi-pitondrana latsa-paka tanteraka amin’ny vahoaka, neken’ny vahoaka, noheveriny ho azy fa tsy zavatra napetrapetraka fotsiny. »

 

Nahay nampiaiky fa fifampitondrana  ity raharaha ity: “...Ny olona rehetra dia hahatsiaro tena fa voasolontena ara-dalàna amin’ny ambaratonga rehetra ...

NY TENY MIDINA SY NY TENY MIAKATRA ...natao HIFANINDRAN-DÀLANA mandrakariva...”... (…) Fitsinjarana asa (…) hahafahananreo manara-maso… »

Nampitodi-doha mba hitsinjovana ny any an-tanàna: “...Toekarena saika mirona amin’ny fanondranana any ivelany...”

 

Adikantsika hoe fifampitondrana ho an’ny soa iombonana ny « bonne gouvernance »?

 

Nanantitrantitra hatrany

i-... fa tsy resaka teknika fotsiny ny asa atao fa fanandratana soatoavina nolovan-dRamalagasy: “...Eo amin’ny  fampijoroana NY FOKONOLONA aoka hitsinjo ny FIHAVANANA nentim-paharazana... ”;

ii- ...”ary ny asa atao tsirambina dia fahavoazana be: “fonksionera tsy mandray andraikitra...”

 

… « Ahafahantsika Malagasy maneho ny fahendrentsika, maneho ny fahalalahantsika tanteraka, izany no zavatra kendrenay, hahafahantsika mivoatra, ao anatin’ny fahalalahana »

 

… « Tsy eo amin’ny fanakorontanana ihany ho ahafahana miray fa eo amin’ny filaminana indrindra… »

 

 

 

Mety ho firafitry ny fifampitondrana avy any ifotony

 

 

 

FANANANA     IOMBONANA   /    AINA

 

 

 

Didy aman-dalàna                           Services de proximité                           

Dina / vЎ miaina

 

 

 

Mifanome tanana

Mandray anjara

Mandray an-tanana

 

Vaovao, fahalanana                                                                           Mba ho avo lenta ny avy any an-

fiofanana                                                                                                                        Tanàna

 

 

 

                   

 

 

 

 

                                                            Tokotany ifampiraharahana

 

FOKONOLONA

 

 

 

 

 

 

******

                                                                                                                                       


24 - Famintinana : ankalazana amin’ny fomba vaovao ny olo-malaza eto amintsika

 

“Velatra ho fanamarihana ny Faha 75 taona nahaterahan'ny Kôlônely Ratsimandrava”.

 

Nisokatra efa roa taona lasa izao ny fandalinana ny Kabary Alaolana ao anatin'ny Sehatra  Tetikasa - Riba sy Fampandrosoana ifandraisan'ny Fikambanana Afaka sy Vazimba Production ary ny Foibe momba ny Teny. Nitombo miandalana ny lafin-kevitra nodinihana ary tamin'ny 21 Marsa lasa teo dia nampifandraisan-tendro  ireto tarehin-javatra ireto :

 

·        ny maha olona mirotsaka an-tsehatra ny Kôlônely, na an-tsaha na an-tanan-dehibe, ny maha kristianina azy manao izay hampikoriana anatin'ny fiarahamonina malagasy ny Fanahy afafin'ny Finoana, ary ny maha olon'ny fikarohana sy fandrantoana fahaizana amam-pahalalana azy, na avy eto an-toerana na avy any ivelany ka nametrahany ho vain-dohan draharaha ny fampifanojoana izany amin’ny fanahy maha olona. Izany rehetra izany dia nafahany nampitombo aina ny hasin'ny fihavanana, ny fokonolona, ny kabary,  ny firenena, ny taranaka

·        ny fahafahana niainan'ny mpanao gazety, ny olon-tsotra, ny mpanao politika, ny fokonolona teo amin'ny sehatry ny fandraharahana, izay novelomina sy nahazo hery tamin’ny ny alalan'ny vaomieran'ny toekarenany, dia ny Vatoeka izany.  Tsy ny didy aman-dalana fotsiny, na ny fanentanana na ny fiofanana no nahafahan'ireo karazan’olona ireo niaina izany fahafahana izany, fa ny toe-po sy ny fihetsiky ny Kolonely Ratsimandrava izay lasa loharano nampisinda ny fahatahorana rehefa manatona manampahefana. Niasa toy ny tompon’antoka mahatoky sy toavina  izy teo amin'ny fanajana ny tsirairay

·        ny  filana fanavaozan-drafitra niainga avy any amin’ny Fokonolona izay mikatsaka ny soa iombonana sy mametraka amin’ny tany marina ny fihavanana hoentina manatsara ny fifandraisan'ny mpiasam-panjakana sy ny vahoaka, ny famahana ny olana eo an-tanàna, ny fanomezana hasina ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana, ny fitsinjovana ny  hoavin'ny taranaka sy ny tontolo ivelomany.

·         ny fiatrehana ny tahotra, vokatry ny tsy fahitana ny mahaizy ny tena sy ny sitrapon'Andriamanitra etsy an-daniny, ary ny fiantraikan'ny fiovan-drafitra mahery vaika najoro teto amin’ny firenena tamin'ny 1982 etsy an-kilany. Izany dia nananganana zotra Alaolana novokarin'ny Kolonely Ratsimandrava. Ary ny akoran’aina nipoitra tamin’izany dia hafahana misedra ny fahantrana sy ny fanatontoloana ary hahitana lalana irosoanan’ny rehetra am-pahombiazana mankany amin’ny demôkrasia, ny toekarena baikon'ny lalànan'ny tsena, sy ny fifandraisana misokatra ho amin’ny vazantany efatra ary ny fifanomezana tanana amin’ny isika samy isika

 

Ireo fotodrafikevitra ireo dia tsapa fa zary vy miaina anatin'ny Taranaka manala azy, izay hain'ny mpanakanto, tarihan'ny Vazimba Production sy ny Tarika Rary, Isa Atelier Galerie ary ny Fikambanana Vaika, ny nampisongadina azy, tsy tamin'ny lahadinika natolony ihany, fa dia teo koa ny tononkira nokaloiny,  ny dihy nolantoiny, ny fampiangoana ny efitra sy ny fandrindrana an-tsehatra nataony. .

 

Tsy latsa danja koa ny fanehoan’ny mpanatrika sy ny mpanafana ny fotoana ny fitohizan’aina tamin’ny mpiantsehatra ka lasa nananan’izy ireo sata ho mpanolo-kevitra tamin’ny fandraisany anjara-pitenenana ary nahatsapan’ny rehetra fa tena tonga ny fotoana hanaingana ny tsirairay hanontany tena momba ny toerana misy azy eo amin’ny fampandrosoana, momba ny hanohizana ny asa, ary ny lalana hiatrehana ny fisian’ny impérialisme culturel.

 

Iny Velatra iny koa dia niainana ho toy ny fanoitra mampitodika amin'ny fomba vaovao hankalazana ny olo-malaza eto amintsika. Lasa mahabe fanantenana araka izany ny amin’ny hahitam-bokatsoa avy amin’ny fahaizana mifehy ny avy amin'ny fakan' ny tena sy ny haitao entin'ny toetr'andro ankehitriny. Ny sehatra Tetikasa Riba Fampandrosoana moa dia hanohy ny vava asa mikatsaka ny fandalinana ny fomba hafahana mitrandraka iny akoran’aina natolotra ho lovain-jafy iny.

 

Isaorana sy ankasitrahana àry isika rehetra izay afaka nifampizara fanahy tamin’iny fotoana iny, na afaka nankany Analakely na tsia.

 

Fikambanana AFAKA

 

                                                                      ******