Blue Flower

Zara Hazondamosina velona avy

amin’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava

Boky voalohany

boky nosoratan’i Dr Ramahatra Roland ;

ny teny fampidirana dia nataon'ny Jeneraly Randrianazary Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-Pirenena ;

ary ny sary amin’ny fonony dia nataon'i Atoa Rafalimanana Léon ary ny PAO dia nataon' i Atoa Ramangalahy Ranto (avril 2013)


Teny Fanolorana - Jeneraly RANDRIANAZARY,
Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimariam-Pirenena

« Zara Hazondamosina velona avy amin’ny Kôlônely Ratsimandrava » no Lohateny nomen’ny mpanoratra na ny marimarina kokoa nomen’ny mpizara Jean Roland Ramahatra ity boky voalohany amin’ireo telo harosony ho an’ny be sy ny maro fa indrindra ho an’ireo taranaka ho avy sy fara aman-dimby hoenti-mamantatra misimisy kokoa ilay Olomangam-Pirenena be mpankasitraka nefa vitsy mpahalala.

Fisaorana lehibe no atolotro ny mpizara tamin’ny finiavany tsy misy fetra nanao ireo asa fikarohana nenti-nanatontosa ity asa soratra horaiketina am-boky ity, mba ho lova ho an’ny Taranaka sy ny Tanindrazana.

Araka ny efa natsidika etsy ambony dia be mpankasitraka tokoa ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA satria isaky ny tonga amin’ny anarany ny resaka dia tsy hay hotapahina ka miroso matetika avy hatrany amin’ny adihevitra ny amin’ny mombamomba azy. Hita izany eny an’ivon’ireo tanora sy erotrerony fa indrindra eo amin’ireo efa zokin-jokiny nahatratra ny ampaham-pahavelomany.

Matetika anefa, indrisy, fa adihevitra tsy miafara amin’ny tsoa-kevitra azo tanana ho lasitra na zotra hoentina miroso amin’ny fandalinana ny mombamomba ny Kolonely Richard Ratsimandrava sy ny zotran-kevitra sy zotram-pisainana tiany ho navoitra sy ho niainana teto Madagasikara ny fiafaran’ny resaka atao.

Tsy ifanomezan-tsiny izany.

Satria zotran-kevitra sy zotram-pisainana lalim-paka tsy azo takarina mora amin’ny adihevitra sy firesahana ombam-pientanam-po fotsiny fa tsy maintsy ilàna fomba lasitra fampihatra amin’ny fanakarana ny hevi-dalina teo amin’ireo olona tsy nandrakitra tamin’ny asa soratra na boky ny heviny sy ny fisainanay, fa naneho izany tamin’ny fiainany sy ny fihetsiny ary ny zavatra rehetra nataony nandritra ny fahavelomany.

Koa indro ary fa tonga ilay fotoana ho an’ny rehetra izay liana fatratra ny hahalala sy handalina misimisy kokoa ny efa fantany momba ny Kolonely Richard Ratsimandrava, Manamboninahitra malagasy Voalohany tao amin’ny Zandarimariam-Pirenena tonga Olom-Panjakana nalaza sy nanamarika manokana ny tantaram-pirenena malagasy, Olomanga tsy maty ao am-pon’ny mpiray Tanindrazana ankehitriny.

Rariana manokana ny tsy hijanonan’izay nahavaky ity boky ity amin’ny famakiana azy ho toy ny tantara fotsiny fa mba hitaratra hatrany amin’ny fomba mahomby ny zotran-kevitra sy fisainana novoizin’iny Zoky Raiamandreny iny tamin’ny lafiny rehetra, teo amin’ny andraikitra rehetra nosahaniny teto amin’ny Firenena.

« HO AN’NY TANINDRAZANA »

Jeneraly RANDRIANAZARY,
Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimariam-Pirenena


Laza votoaty : Zara Hazondamosina velona avy amin’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava