Blue Flower

TSIARO
Sento sisa no atao Raha mitodika mijery ny lasa Fa tsy eo intsony Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA
Tsiaro mamy sy mangidy Mifamototra amin'ny lasa Nomamefy ny tadidy
Tadidy Hisintona ny lasa Manao hoe : "Miverena RATSIMANDRAVA Hamerina ny lamina Sy ny hasin'ny FOKONOLONA"
Ny ho avy mantsy visavisa Ankamantatra... tanisa...
nosoratan'i Danielle Maryse RATSIMANDRAVA Febroary 2011

TSY ADINOINA
Na dia eo aza ny fisarahana Tsy adinoina ireo fotoana mamy niarahana Misoritra ato an-tsaiko sy ato am-poko Ireo tsiaro mampisento ka tsy foiko
Ny fahaizanao mahandro sakafo Raha vidina mety ho lafo Nisy endrika, tsiro ary hanitra Fahasoavana avy amin'Andriamanitra Ny "clafoutis" fanaonao Ny "canard aux navets" tsy adinoko Teo am-bavako foana ny hoe "ny ahy ampiako"
Nomenao toro-hevitra feno fahendrena Ny fanarahana azy ireo ekena Hoy ianao zava-dehibe ny fianarana Tsy azo lavina fa antoky ny fivelarana
Teo ny fitiavanao mamaky boky sy gazety Fikolokoloin-tsaina hitako tena mety Nampirisihanao koa aho tamin'ny famakiana Marina ilay teninao hoe "mahaliana"
Mbola kely aho voan'ny tifoidra Ny fitiavanao tsy nifindra Teo foana ianao nampahery Ary tsy nampahafantarinao izany hoe irery
Mipetraka an-tsaiko koa Ireo asa soa an-tsitrapo Teo amin'ny Fiangonana sy fiaraha-monina Marina daholo izany fa tsy noforonina
Vehivavy nanampy olona Vehivavy tsy natahotra tolona Vehivavy tsy nanambony tena Vehivavy nanetry tena
Raha amiko dia tonga lafatra Teo anilanao izaho nahatsiaro sambatra
Maryse RANDRIANASOLO Marsa 2011
ILAY VONINKAZO

Voninkazo kanto Nivelatra sy namerovero Mama
Nisandrahaka Nandritra ny fotoana Niarahany tamin'ny fianakaviana
Mitoetra ary mamy Ireo zava-bitany rehetra Ka tsy ho levona
nosoratan'i Danielle Maryse RATSIMANDRAVA Febroary 2011
MAMA 
FOLO TAONA SAHADY IZAY

Folo taona sahady izay Mandeha ny fotoana Banga eo amin'ny fiainanay ianao
*Betsaka ny olana Nolalovanay Satria tsy teo intsony ianao Niainga tamin'ny Tsy nisy izahay Tamin'ny fahalasanao Tsy nataonay nahakivy Anefa ny fahasahiranana Fa vao mainka nampitraka Nijoro izahay Nanarina Namboatra ny fiainana manontolo
Betsaka ny zavatra vitanao Taminay Tsy ho adinoina mandrakizay
Lova tsara ho anay Zanaka Ny fikarakarana rehetra nataonao
Matoky izahay Amin'ny fitantanan'Andriamanitra Isan'andro
Ankehitriny Misokatra tsikelikely Ny masoandro
Masoandro mibaliaka Izay manazava ny sainay Tamin'ny fitiavanao anay
nosoratan'i Danielle Maryse RATSIMANDRAVA Febroary 2011