Blue Flower



Richard Ratsimandrava
21 marsa 1931 - 11 febroary 1975


Teraka:

  • Asabotsy 21 Marsa 1931, 12 ora sy 20 mn antoandro,tao Mangarivotra, Antananarivo
  • Zanak'Itl Ratsimandrava (Professeur Assistant) sy Itv Rasoanindrina
  • Nanambady an-dRazafindramoizina Thérèse tamin'ny 22 Septambra 1956
  • Manan-janaka enina
  • Finoana : Protestanta


Fianarana nataony:

  • 1938 : Sekoly Ambavahadimangatsiaka Antsirabe
  • 1940 : Lycée Galliéni, nanomboka 9éme hatramin'ny Terminales - Baccalauréat Mathématiques Elémentaires (5 Jolay 1952) tao Andohalo Antananarivo
  • 1952-1954 : Lycée Carnot Dijon nanomana fifaninanana hidirana ao Saint-Cyr
  • 1954-1956 : Nianatra tao amin'ny Ecole spéciale militaire interarmes de Saint-Cyr Coetquidan - Promotion du Lieutenant Colonel Amilakvari (Infanterie métropolitaine)

Marim-boninahitra :

  • 20 Aogositra 1957 : Commémoration AFN
  • 14 Jiona 1966 : Chevalier de l'Ordre national
  • 14 Oktobra 1971 : Officier de l'Ordre national
  • 31 Desambra 1971 : Chevalier de la Légion d'honneur
  • 5 Febroary 1975 : Grand Cordon de l'Ordre national

Fisondrotana tamin'ny asa :

  • 1Okt. 1956 : Sous-Lieutenant niofana tao amin'ny Ecole d'application de l'Infanterie de St Maixent France
  • Des.1956-Aog.1958 : Niatrika ady tany Maroc sy Algérie
  • 1 Marsa 1958 : Nifindra tamin'ny Infanterie coloniale
  • 17 Aog. 1958 : Namita ny fiofanana Ecole d'application de l'infanterie de Saint Maixent
  • 1 Okt. 1958 : Nasondrotra ho Lieutenant
  • 5 Jan. 1959 : Mpampianatra tao amin'ny Centre d'Instruction des nouvelles recrues tao amin'ny Camp Galliéni tany Fréjus (France)
  • 14 Jolay 1959 : Porte-drapeau nitondra saina malagasy tamin'ny matso lehibe natao tany Paris
  • 27 Okt. 1959 : Niverina taty Madagasikara
  • 28 Okt. 1959 : Mpampianatra tao amin'ny Centre d'instruction des nouvelles recrues tao Beravina Fianarantsoa. Nanao famelabelarana momba ny Zon'olombelona noho ny tsindrihazolena natao tamin'ireo miaramila zazavao ary nampahafantatra azy ireo ny zony
  • 11 Jiona 1960 : Voatendry ho Mpifehy ny Holafitra Faha-2, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo
  • 1 Febr. 1962 : Nasondrotra ho Kapiteny
  • 1 Nov. 1962 : Voatendry tao amin'ny Zandarmaria nasionaly
  • 13 Mey 1963 : Niofana ho Zandary tany Lodève (Hérault - France)
  • 1 Okt. 1963 : Niofana tao amin'ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun-(France)
  • Jona 1964 : Nahazo ny Certificat en Sciences criminologiques tao Paris
  • 18 Jolay 1964 : Niverina indray teto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary Malagasy voalohany
  • 1 Sept. 1964 : Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerie tany Toamasina
  • 1 Jan. 1965 : Nasondrotra ho Chef d'Escadron, Commandant du Groupement de la Gendarmerie nationale tany Toamasina
  • 1 Aog. 1967 : Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin'ny Zandarmaria nasionaly
  • 1 Jiona 1968 : Nasondrotra ho Lieutenant Colonel
  • 1 Avrily 1969 : Notoloran'ny Filohan'ny Repoblika Philibert Tsiranana ny Fanevan'ny Komandy ambony ao amin'ny Zandarmaria.
  • Avrily 1971 : Nampitsahatra ny fifampindrafiana noho ny fikomiana tany Atsimo ary, namitrana fampihavanana tany nandritra ny iray volana mahery
  • 13 Mey 1972 : Nolazaina ho mikomy tamin'ny Fanjakana mpitondra tamin'izany raha nanohitra ny fitifirana ny Mpianatra tamin'ny raharaha 13 Mey 1972
  • 25 Mey 1972 : Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin'ny Zandarmaria nasionaly, tao amin'ny Governemantan'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
  • 8 Okt. 1972 : Faneken'ny Vahoaka malagasy nahafahana nanangana ny fokonolona tamin'ny fitsapana hevi-bahoaka nanangana ny Fokonolona
  • 1 Jan. 1973 : Nasondrotra ho Kolonely
  • Marsa 1973 - Des. 1974 : Minisitry ny "Ala olana" no niantsoan'ny Fokonolona azy, fa nahazo namosa-kevitra an-kahalahana tao amin'ny Radio Madagasikara ny Vahoaka nifanakalo hevitra mivantana taminy nanerana ny Nosy, ary nisy ny fahalalahana tanteraka koa teo amin'ny asa fanaovan-gazety :
    • - Fanentanana ny vahoaka mikasika ny Fokonolona
    • - Fananganana ireo rafitra mifehy
    • - Fifidianana ireo ambararonga samihafa
  • 23 Jan. 1975 : Noravan'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny Governemantany
  • 5 Feb. 1975 : Notoloran'ny Jeneraly RAMANANTSOA ny "Fahefana feno"hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ho Filoham-panjakana, Lehiben'ny Governemanta, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Tetipivoarana


Talata 11 Febroary 1975, 8 ora alina : 
  • Notifirin'ny fahavalon'ny fahamarinana tao Ambohijatovo Atsimo
  • Maty voatifitra niaraka taminy ireo Mpiambina azy GP2 RABOTOVAO Samuel sy GP2 RAKOTOARISOA Bernard